• acipenser-madagascar.com nataon’ny Acipenser Madagascar SA
  • Adiresy: Ampasipotsy Manjakandriana, Antananarivo 116 Madagascar
  • Laharan-tariby: +261 32 05 420 54

Fiantohana sy andraikitra:

Nandray ny fepetra rehetra mifandraika amin’izany ny Acipenser Madagascar SA ho fiantohana fa mari-pototra ny tsara ho fantatra rehetra zaraina ato, ary azo antoka sy voaaro tanteraka ny fidirana ny tranokala acipenser-madagascar.com

Na izany aza, tsy afaka miantoka velively ny Acipenser Madagascar SA fa tsy hisy mihitsy ny tsy fetezana, ny tsy fahatomombanana ara-teknina na ny olana hafa. Ankoatra izay, tsy afaka miantoka izahay fa mety sy mifanaraka amin’ny fitaovana manokana sy ny fomba fampiasanao azy ny tranokala.

Tsy azo tanana ho tompon’antoka amin’izay mety ho olana mifandraika amin’ny fampiasana ny tranokalany ny Acipenser Madagascar SA, ary tsy tomponandraikitra amin’ny vaovao zaraina any anatina tranokala hafa, izay mety hisy hifandraisany amin’ny tranokalany amin’ny alalan’ny rohy na fomba hafa.

SARY FANEHOANA FOTSINY IHANY IREO SARY AMPIASAINA ATO FA TSY MANEHO NY TENA VOKATRA AKORY.

Ny zo momba ny fananana ara-tsaina:

Arovan’ny zon’ny mpamorona, ny mari-barotra, ary ny zo momba ny sary sy ny môdely, ny mari-pamantarana rehetra, ny sary famantarana, ny soratra, ny sary, ny sary fanehoana sy ny sary hafa/rakitsary, na an-tsary na am-peo, hita ato anatin’ny tranokala acipenser-madagascar.com. Fananana manokana sy manontolon’ny Acipenser Madagascar SA na ny orinasa sy ny vondrona misy azy, na koa ny mpiray ombon'antoka aminy izy ireny. Araka izany, hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana sy hitory ireo izay rehetra manitsakitsaka ny zony, na mivantana na an-kolaka, ny Acipenser Madagascar SA, indrindra raha misy trangana fangalahan-tahaka/fisandohana.

Ampahatsiahivina isika fa voarara tanteraka ny fampiasana na fandikàna/fanaovana dika mitovy amin’ny singa rehetra ato anatin’ny tranokala.

Fiarovana ny tahirin-kevitra momba ny tena manokana:

Araka ny Lalàna mifehy ny Infôrmatika sy ny Fahalalahana dia manan-jo hijery, hanova na hanohatra ireo tahirin-kevitra momba anao manokana ianao.

  • Raha te hanao izany dia manoràta amin’ny:
  • Acipenser Madagascar SA
  • Adiresy : Ampasipotsy Manjakandriana, Antananarivo 116 Madagascar
  • Laharan-tariby : +261 32 05 420 54
  • Adiresy mailaka : contact@acipenser.mg