Ireo mpiray ombon'antoka

Delphyne, Christophe ary Alexandre no angady nananana sy vy nahitana ny Acipenser; ireto farany izay mpitantana ny orinasa Akanjo, mpisehatra manokana amin’ny fanamboarana akanjo ho an’ireo Orinasan-damaody lehibe Frantsay. Te hanomboka fanamby vaovao ireto mpamorona akanjo fitafy avo lenta ireto, ary nentin’ny finiavany hanandrana zava-baovao dia nahita hevitra ny hanangana ny toeram-piompiana « esturgeons » voalohany aty Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana.

Ekipa tanora, vonona sy feno zotom-po eo amin’ny sehatry ny fiompiana trondro, indrindra ny fiompiana « esturgeons », no miara-miasa amin’izy ireo, ary ny 1 avrily 2013 no foy ny andiana olitra voalohany.

Tanjon’ity tetikasa goavana sy maharitra ity ny hanome anao mpanjifa kaviara tsy manam-paharoa.

Alexandre

Alexandre

Raha te hahatontosa zavatra tena miavaka dia atombohy amin’ny nofy aloha. Aorian’izay, mifohaza am-pitoniana ary tanteraho ilay nofinofinao; aza kivikivy mihitsy na inona na inona mitranga.

Delphyne

Delphyne

Tetikasa goavambe ary tantara tena miavaka, izay manao vaindohan-draharaha ny fanandratana ny vokatry ny tany eto Madagasikara amin’ny alalan’ny famoronana vokatra tsy manam-paharoa.

Christophe

Christophe

Nofinofy tanteraka ity tetikasa ity: nilàna faharetana, fikirizana, fiaraha-misalahy... fa tsy nanenenana mihitsy, satria nofy fahazaza ity tanteraka ity.

Ireo tomponandraikitry ny toeram-piompiana

Ny fiompiana

Jérôme

Talen’ny fiompiana

jerome

Miaraka amin’ny ekipako dia andraikitro ny manara-maso sy manao izay hahatsara araka izay tratra ny fepetra rehetra ilaina amin’ny fiompiana sy ny tontolo iainana ao amin’ny toeram-piompiana an-tanety sy eny am-parihy. Andraikitray ny miantoka fa mipetrapetraka sy tomombana tsara ny tontolo iainana iveloman’ireo renitrondro mba hahafahan’izy ireo mitombo sy salama tsara. Rehefa matoy ny trondro dia anjaranay ny mifantina ireo renitrondro mety indrindra sy manana atody tsara indrindra mba hahafahana mamokatra ny kaviara ambony kalitao indrindra. Laharampahamehanay ny kalitao ! Hentitra sy sarotiny izahay amin’ny dingam-pamokarana rehetra mba hahafahanay manome kaviara tsy manam-paharoa ho an’ireo mpankafy vao hanandrana kaviara sy ho an’ireo efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny tontolon’ny haify haingitraingitra.

Soatiana

Tale lefitry ny toeram-piompiana eny am-parihy

Soatiana

Ny tenako no Tale lefitry ny toeram-piompiana eny am-parihy. Amin’izany andraikitra izany dia manampy ny Talen’ny fiompiana any amin’ny faritry ny farihy aho. Eny amin’ny faritra iasanay no hanalehibeazana/hanatavezana ireo “esturgeons” mba hahazoana mifantina ireo renitrondro manome kaviara ambony kalitao sy amin’ny fatra ilaina ho an’ny ozinina fanodinana akora. Izahay koa no miantoka ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny ranon’ny farihy, izay tena iankinanay tanteraka mba hanomezana toeram-pivelomana tsara indrindra ho an’ireo trondro.

Say

Tale lefitry ny toeram-piompiana an-tanety

Say

Tomponandraikitry ny dobo fampanatodizana aho, ary anjarako ny miantoka ny fizoran’ity dingana ity an-tsakany sy an-davany, manomboka amin’ny fikotrehana ireo atoditrondro, ka hatrany amin’ny fahafoizan’ireo olitra kely milanja 7g. Aorian’izay dia miditra amin’ny fanaraha-maso ny fiompiana ireo zana-trondro mialoha ny hanatavezana azy sy mandritra ny fanatavezana azy ; ary mandritra ny dingana rehetra dia arahi-maso sy tsirihina hatrany ireo maridrefy rehetra momba ny fitomboan’ny trondro mba hahafahana manatratra ny tanjom-pamokarana. Tena zava-dehibe ny fanaraha-maso sy ny fanajana an-tsakany sy an-davany ireo fepetra fiompiana rehetra mba hanomezana toeram-pitomboana tsara indrindra ho an’ireo trondro ompiana, izay tena zava-dehibe tokoa ho anay. Miaraka amin’ny fanaraha-maso ny toe-pahasalaman’ireo trondro ompiana sy ireo singa momba ny fitomboany dia miroso mankany amin’ny famokara ambony kalitao ny orinasa.

Herimanda

Tomponandraikitry ny ozinina famokarana sakafon-trondro

herimanda

Miaraka amin’ny fanampian’ireo mpiara-miasa amiko dia andraikitro ny mitantana ny ozinina famokarana sakafo ho an’ireo « esturgeons ». Manomboka amin’ny fisafidianana tsara ireo akora fototra ampiasaina, izay ny ankamaroany dia alaina na vokarina eto an-toerana ihany, ny dingam-pamokarana ny sakafon-trondro, ary arahina dingana maromaro izay tsy maintsy mila fehezina tanteraka mba hahazoana sakafo mamaly ny kalitao ilaina. Andraikitro ny miantoka ny fandehanan’ny ozinina araka ny tokony ho izy, amin’ny alalan’ny fitantanana ny famokarana, ny fiantohana ny fisian’ny akora fototra ilaina sy ny vokatra vita amin’ny fotoana rehetra, ary ny fandrindrana ny lafiny fampandehanan-draharaha amin’ny fametrahana sy fanaraha-maso ny fomba fiasa, ary ny mari-pandrefesana ny zava-bita. Izahay ihany no mamokatra ny sakafon’ny trondro mba hiantohana ny kalitaon’ny kaviara vokarina. Izany no atao dia mba hahafahana mifehy ny ambaratongam-pamokarana manontolo. Ny sakafo vokarinay dia hahafahanay manana trondro salama tsara, mitombo tsara ary afaka mamokatra ny kaviara tadiavina.

Fanodinana ny kaviara

Ianja

Talen’ny ozinina fanodinana akora

ianja

Andraikitra voalohany sahaniko ny fitarihana, ny fanaraha-maso ary ny fitantanana ny ekipa misahana ny famokarana kaviara sy ny famokarana trondro mba hanaja ireo fomba fanao tsara momba ny fahasalamana sy ny famokarana ny dingana rehetra. Mbola andraikitro koa ny mampiofana sy manentana ireo mpiara-miasa momba ireo teboka manahirana rehetra izay mety hisy fiantraika ratsy amin’ny kalitaon’ny kaviara, no sady mampita sy mizara amin’izy ireo ny fahafinaretana amin’ny fikirakirana ity vokatra tsy manam-paharoa ity. Jerena akaiky sy tsirihina avokoa ny dingam-pamokarana rehetra mba hahazoana kaviara ambony kalitao, sy hamaliana ny zavatra takiana ao anatin’ny bokinandraikitra ho an’ny mpanjifa. Teny roa mibaiko anay amin’izany famokarana izany ny fitandremana be sy ny fahamailoana amin’ny fotoana rehetra.

Malala

Tale lefitra misahana ny ozinina fanodinana akora

malala

Andraikitro ato anivon’ny toeram-piomiana Acipenser ny fandrafetana sy fandrindrana ireo asa rehetra ho fiantohana fa manaraka ireo fomba fanao tsara eo amin’ny lafiny fanamboarana sy manaja ireo fepetra rehefa eo amin’ny lafiny famokarana izany, na eo amin’ny lafiny kalitao na ny habetsahany. Manao fanaraha-maso hentitra ny dingam-pamokarana rehetra aho : tsy misy azo atao ambanin-javatra velively ny antsipiriany rehetra, na dia izay heverina ho kely indrindra aza, ary zava-dehibe avokoa ny fihetsika rehetra atao ho fiantohana ny kalitaon’ireto vatosoa mainty ireto.

Georges

Tomponandraikitry ny famokarana sy mpanandrana kaviara

georges

Voalohany dia andraikitro ny fiantohana ny famokarana kaviara sy ny fanomezan-danja ny nofo-trondro. Ankoatra izay dia andraikitro koa ny lafiny « organoleptique », izany hoe ny fiantohana ny kalitaon’ny taovam-pahatsapan’ny trondro mialoha sy aorian’ny fandiovana ny kaviara. Miara-miasa amin’ny Talen’ny famokarana aho amin’ny famaritana ny sokajy misy ireto farany.

Fitantanan-draharaha

Achille

Talen’ny fitantanan-draharaha

achille

Ny taona 2015 no nitsidihako voalohany ny toeram-piompiana Acipenser, ary tsapako avy hatrany fa fanamby somary manahirana ny fiheverana fa azo atao ny miompy “esturgeons” sy mamokatra kaviara eto Madagasikara. Faly aho fa nandiso ahy ny eritreritro satria enin-taona aty aoriana dia tonga nanatevin-daharana ity fanamby mahafinaritra ity aho, amin’ny maha Talen’ny fitantanan-draharaha ny tenako. Andraikitra sahaniko ny fiantohana ny fanaraha-dalànan’ny orinasa amin’ny alalan’ny fametrahana arofenitra miompana amin’izay takian’ny lalàna, toy ny fanavaozana ny fahazoan-dalana sy ny fanomezan-dalana momba ny tontolo iainana, ary ny fanavaozana ny fanamarinana ny fenitra iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana ISO 14001, izay ny tenako no tale mpitarika azy. Ankoatra izay dia eo ambany fiahiako koa ny sampandraharaha misahana ny fitantanana ny mpiasa sy ny ny fandriampahalemana. Mifanolo-tanana amin’ireo fitantanana hafa momba ny fiompiana sy ny famokarana aho, ary miara-miasa akaiky amin’ny sampandraharaha misahana ny kalitao sy ny tontolo iainana.

Niriharosoa

Tale misahana ny kalitao

niriharosoa

Ny tenako no miantoka ny fanaraham-penitry ny vokatray sy ny asa rehetra ataonay. Araka izany, andraikitro ny mametraka ireo taridalana sy fomba fiasa izay hamaritra sy ampiasaina ho loharanon-kevitra amin’ny asa sy ny sehatra rehetra manerana ny orinasa, ary manara-maso akaiky ny fanatanterahana izany ho fiantohana ny fanaraham-penitry ny orinasa. Fanamby miandry anay ny fitazonana ny fanamarinana fenitra iraisam-pirenena ISO 14001 izay azo nanomboka tamin’ny taona 2017, ary ny fahazoan-dalana momba ny fenitry ny fahasalamana sy ny fiompiana anaty rano izay azo nanomboka tamin’ny taona 2018 sy 2019. Ankoatra izay dia andraikitra miandry ahy koa ny fanampiana ny orinasa amin’ny fijerena ireo izay mety hahasoa amin’ny hoavy, ohatra amin’izany ny fananana fanamarinana vaovao.

Fanja

Tomponandraikitra lefitra momba ny kalitao

fanja

Manampy ny Tale misahana ny kalitao aho amin’ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny rafitra momba ny fanaraha-maso ny kalitao ato anivon’ny orinasa. Eo amin’ny lafiny tontolo iainana sy ny andraikitra sôsialin’ny orinasa kosa dia anjarako ny miantoka ny fitantanana ny fako, sy ny fikojakojana ireo faritra maitso, misy voninkazo, manerana ny toeram-piasana. Tafiditra ao anatin’izany andraikitra sahaniko izany dia mikarakara fiofanana sy hetsika fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana, ato anatiny sy any ivelan’ny faritry ny orinasa aho.

Setra

Talen’ny asa fikojakojana

Setra

Mpanohana mavitrika sy mandray anjara manontolo amin’ny dingam-pamokaran’ny orinasa ny ekipa miasahana ny asa fikojakojana. Araka izany, andraikitro voalohany indrindra ny fiantohana ny fandehanan’ireo milina sy fotodrafitrasa rehetra araka ny tokony ho izy, ho fiantohana fa mandeha tsara, tsy misy fahatapatapahana sy manome ny vokatra andrasana aminy, ny ambaratongam-pamokarana rehetra, ary ho fiantohana fa ao anatin’ny fepetra tsara indrindra sy ny fotoana fohy indrindra no hanatontosana izany ho famokarana ny kaviara tsy manam-paharoa.
Toe-tsaina be herim-po, sy hentitra ary mikatsaka ny fanatsarana mitohy no entin’ireo ekipako manao ny asany isan’andro ka hahazoanay vokatra tsara hatrany. Tsy ataonay ambanin-javatra koa anefa ny fiantraikan’ny asa ataonay amin’ny tontolo iainana.