Lac mantasoa

Ny tontolo iainana

Mantasoa, ilay toerana manan-tantara

Ara-tantara dia toeram-pitobian’i Jean Laborde, mpandraharaha matihanina, i Mantasoa fahiny, ary natolotra ny Mpanjakavavin’i Madagasikara taty aoriana. Tao no toerana fanamboarana fitaovam-piadiana toy ny tafondro, basy, sabatra, bala, sy fitaovana hafa toy ny savony, ny tafo taila, ny loko, ny lovia, sns.

Miavaka aok’izany ny toerana, ravahan’ireo lohasahan-tanimena sy hodidinin’ny hazo kesika sy ala kininina izay manome endrika tsy manam-paharoa azy. Nahay nararaotra ity toe-tany voajanahary ity ireo tantsaha Malagasy, izay rafitra nanao ny tanimboliny sy ny tanimbariny teny amin’ireo lohasaha anelanelan’ny havoana, ka vao maika nanome endrika hafakely izay tazanina.

Mitoka-monina sy tsy voatsembatsembana ny manodidina ny Farihin’i Mantasoa, ka madio mangatsakatsaka sy tena miavaka aok’izany ny kalitaon’ny ranony, mahatonga azy ho toerana tena mety indrindra amin’ny famokarana kaviara ambony kalitao.

Ny fiompiana

Toeram-piompiana « esturgeons » voalohany aty Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana

Dobo mankadiry miisa 19, dobo fampanatodizana, toerana voatokana hitazonana ny zana-trondro mialoha ny fanatavezana azy, toerana famokarana provandy, ary toerana fanodinana ny vokatra no mandrafitra ny toeram-piompiana Acipenser, izay mivelatra amina velarantany maherin’ny 8 ha, manamorona ny renirano izay mifandray amin’ny Farihin’ny Mantasoa avy eny ambony. Mbola io Farihy io ihany, izay ahitana fotodrafitrasa mankadiry sahabo 50 manana savaivo 25 metatra avy, no mandray ireo « esturgeons » rehefa mahatratra 1,5 kilao ny lanjany.

Any amin’ny 1 400 metatra ambonin’ny haavon’ny ranomasina, ary sahabo 60 kilometatra atsinanan’Antananarivo, lavitry ny loton’ny ozinina sy ny tanan-dehibe, no misy ny Farihin’i Mantasoa, izay mivelatra amina velarantany 2000 hektara sy manana hadiry 4 ka hatramin’ny 10 metatra. Tsy misy afa-tsy ranon’orana no mirotsaka ao amin’ny Farihin’i Mantasoa, ka mahatonga azy ho voaaro tanteraka amin’ny loto. Ny rano avy amin’ny Farihy kosa no mamatsy ny dobo fiompiana trondro.

Nosy lehibe i Madagasikara; efa hitovy amin’i La Frantsa sy i Belzika mitambatra ny habeny. Araka izany, miovaova be arakaraka ny faritra ny toetrandro. Any amin’ny ivontanin’i Mantasoa dia somary mangatsiaka ny andro. Manodidina ny 13°C fara fahakeliny ny hafanan’ny rano mandritra ny vanim-potoanan’ny ririnina, ary 25°C kosa fara fahabetsany amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Izany fahasamihafana izany no « singa tsara indrindra ilaina amin’ny fitomboana » ireo no ambaratonga-maripana mety indrindra amin’ny fitomboan’ny trondro.

Miavaka raha samy miavaka ny voka-piompiana eto Madagasikara. Ankehitriny dia mahatratra 2,7 ka hatramin’ny 2,9 mm ny haben’ny atody mbola tsy foy (ovocytes) ho an’ny trondro enin-taona, milanja manodidina ny 9kg.
Mampitolagaga koa ny vokatra kaviara azo: 15% eo ny salanisa ankaponey avy ao amin’ny tobim-piompiana.

Ny fanomezana tontolo lafatra hahafahan’ireo « esturgeons » mitombo ara-dalàna dia fiantohana koa ny faharetan’ny tobim-piompiana Acipenser amin’ny alalan’ny fikajiana ny rohivoaariny. Araka izany, efa narahi-maso akaiky hatrany ny kalitaon’ny ranon’ny Farihy, mialohan’ny nananganana ireo fotodrafitrasa voalohany ao amin’ny toeram-piompiana. Mandalo fitsirihana isan’andro ny oksizena, ny maripana, ny mety ho fisian’ny “hydrogène” (pH) sy ny fikorontanan’ny rano manerana ny faritry ny toeram-piompiana. Ankoatra izay dia arahi-maso tsy tapaka koa ny fivoaran’ny toetry ny andro, isan’izany ny habetsahan’ny rotsakorana, ny maripanan’ny rivotra, ny hafainganam-pandeha sy ny fitodiky ny rivotra eo amin’ny faritry ny Farihy. Izany no atao dia mba hahafahana mamantatra mialoha ireo fahasarotana mety hitranga mandritra ny taona, ka handraisana ireo fepetra mifanaraka amin’izany. Mazava ho azy fa arahi-maso tsy tapaka koa ny fitomboan’ireo « esturgeons », izay isan’ny singa tsy azo idovirana amin’ny fanombanana ny zava-bita sy ny fandrosoan’ny fiompiana atao. Mila omena sakafo ampy izy ireo, nefa tsy azo atao voky be loatra koa, mba tsy ny tavy indray no ho be loatra noho ny kaviara tokony hovokariny. Amin’izao fotoana izao dia trondro 400 taonina, ahitana “esturgeons 100 000 isa, no ompiana ao amin’ny toeram-piompiana Acipenser, izay mivelatra amina velarana 70 000 m3 mahery, hahafahan’ireo « esturgeons » miaina sy mivelona an-kahalalahana.

Nahatratra 4,2 taonina ny vokatra kaviara azo tamin’ny taona 2019, ary tamin’ny taona 2020 dia 3,22 taonina izany noho ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19. Ny taona 2021 kosa dia nahatratra 9 taonina ny famokarana.

Araka izany, hatrany am-piandohana dia efa nisafidy ny hitantana, ato anatiny ihany, ny dingam-pamokarana sy ny tohivakam-pamatsiana rehetra hatrany ifotony ny vokatra ny orinasa Acipenser. Vitsy dia vitsy ny mpanelanelana ka hahafahana mifehy tanteraka ny vokatra sy ny loharanon’ny trondro ompiana mba hahafahana mamokatra kaviara manana tsiro miavaka sy tsy manam-paharoa.

Bebe esturgeon

Ireo karazan-trondro ompiana

Mitaky faharetana

Mizara roa miavaka tsara ny toeram-piompiana « esturgeons »: ny toerana « an-tanety » sy ny toerana « eny am-parihy ». Karazany « esturgeons » 6 tsy mifangaro no ompiana, ary mamokatra kaviara 6 samihafa.

Hatreto dia kazaran-trondro 2 ao amin’ny toeram-piompiana no efa mamokatra kaviara, dia ny Baerii, izay tena mety ho an’ireo izay vao sambany hanandrana sy hamantatra ny tontolon’ny kaviara, ary ny “Osciètre », izay tena hankafizin’ireo mpahandro kalaza matihanina.

Araka izany, efa ho folo taona vao vita tanteraka ny fananganana ny toeram-piompiana esturgeons sy ny fanafarana ireo karazan-trondro notadiavina, ary mbola hisy folo taona eo ho eo koa vao ho afaka hamokatra caviar ny karazan-trondro tsirairay.

Tombanana ho any amin’ny taona 2029 any no hahatratra ny taham-pamokarana feno sy ambony indrindra ny Acipenser.

  • Acipenser Baerii
    Baerii

    Ny fanta-daza indrindra

    Acipenser Baerii

    Ny esturgeon Sibérien no karazan-trondro voalohany nompiana tao amin’ny toeram-piompiana, ary tamin’ny taona 2013 no nahatongavany. Enin-taona eo no ilaina vao afaka mamokatra kaviara Baerii ny renitrondro iray. Miloko volon-davenona mazava ny kaviara azo avy aminy, ary rehefa ao am-bava izy dia mamotsotra tsiro matavy toy ny dibera sy hero-dronono, misy tsiron-tany, ary toa somary misy tsirom-boankazo indraindray.

  • Acipenser Gueldenstaedtii
    Gueldenstaedtii

    Ny tena ankafizin’ireo mpahandro kalaza matihanina

    Acipenser Gueldenstaedtii

    Nanamarika ny taona 2014 ny fahatongavan’ity karazana « esturgeon » avy any Rosia ity. Afaka fito taona eo izy vao afaka mamokatra kaviara Osciètre Rosianina. Mampiavaka azy ny lokon’ny voany somary mangirana, toa manopy lokom-bolamena, ary rehefa ao am-bava izy dia mafonja sy manana tsiro somary masirasira. Ny taona 2022 no namokarana kaviara Osciètre voalohany.

  • Acipenser Persicus
    Persicus

    Ny esturgeons tsy fahita intsony any Iran

    Acipenser Persicus

    Tamin’ny taona 2016 no nahatongavan’ity karazana « esturgeon » ity tao amin’ny toeram-piompiana trondro. Mila fito taona koa izy vao afaka mamokatra ny kaviara Osciètre Persicus, izay fantatry ny ntaolo amin'ny anarana hoe Oscietra Iraniana. Mampiavaka azy manokana ny lokony manopy volamena, ny voany mafy, sy ny tsirony misy hani-dranomasina malefaka. Tsy hita intsony tao anaty boky firaketan’ny CITES ity kazarana “esturgeon” ity satria noheverina ho lany tamingana. Saingy nipoitra indray tao amin’ny toeram-piompiana trondro Acipenser izy ity, rehefa nataon’ny mpamatsy azy ho fanomezana tsy nampoizina.

  • Acipenser Nudiventris
    Nudiventris

    Ilay tsy fahita mihitsy

    Acipenser Nudiventris

    Karazana « esturgeon » tsy dia be mpahafantatra loatra izy ity satria any Rosia sy ao amin’ny Acipenser irery ihany no misy fiompiana azy. Tamin’ny taona 2017 no nahatongavany tao amin’ny toeram-piompiana trondro. Tamin'ny Desambra 2022, ny toeram-piompiana dia namokatra ny kaviara Shipova voalohany izay mananana tsiro tena miavaka. Amin’ny fotoana hahavokarany dia ity kaviara ity no ho isan’ny sarobidy sy ho be mpitady indrindra eo amin’ny tsenan’ireo mpankafy ny vokatra.

  • Acipenser Stellatus
    Stellatus

    Ny kely indrindra

    Acipenser Stellatus

    Ny taona 2019 no tonga tao amin’ny toeram-piompiana trondro ity « esturgeon » miendrika kintana ity. Fito taona eo izy vao lehibe ary mamokatra kaviara antsoina hoe “Sevruga”. Isan’ireo karazana kaviara tena ankafizin’ny Rosianina izy ity noho ny lokony volon-davenona manopy mainty mangirana, sy ireo atody keliny izay mitsonika malefaka rehefa ao am-bava, ary mamela tsiro mahery am-bava mandritra ny fotoana maharitra.

  • Huso Huso
    Huso Huso

    Ny lehibe indrindra

    Huso huso

    Izy ity kosa no lehibe indrindra, na amin’ny refiny izany na amin’ny lanjany izay mahatratra hatrany amin’ny 100kg any rehefa lehibe. Mbola ny taona 2016 ihany no nahatongavan’ity karazana « esturgeon » ity tao amin’ny toeram-piompiana trondro. Any amin’ny 10 ka hatramin’ny 20 taona any vao mamokatra ny kaviara antsoina hoe Beluga izy. Ho isan’ny kaviara ho be mpankafy izy ity: hahasarika anao avy hatrany ny atodiny lehibe miloko volondavenona mazava, mikarepoka am-bava, no sady mamotsotra tsiro malefaka aoka izany.

Ny famokarana provandy

Sakafo amboarina manokana ho an'ireo «  esturgeons »

Ny toeram-piompiana Acipenser ihany no mamokatra ny sakafon’ny esturgeons ompiana ao aminy, ka ao anaty efitrano fanaovana provandy no hanamboarana izany. Provandy miendrika voa kely, milanja 2 taonina isan’andro, no vokarina. Izany no atao dia mba hahafahana manara-maso sy miantoka ny kalitaon’ny ambaratongam-pamokarana rehetra. Araka izany, ny sakafo Acipenser dia hahafahana mahazo trondro salama tsara, miantoka ny fitomboany ara-dalàna, ary mamokatra kaviara ambony kalitao. Mila fahaiza-manao manokana ny fanamboarana karazan-tsakafo toy itony satria mila ampifandraisina ny zavatra ilain’ireo « esturgeons » sy ny fahafaha-manao ara-teknikan’ny milina ampiasaina. Lafarinina avy amin’ny « thon » sy menaka avy amin’ny trondro manga no foto-tsakafon’ny « esturgeon », miampy lafarinina vita amin’ny zava-maniry 100% natoraly toy ny avy amin’ny akofam-bary, ny lalivay, ny « acides aminés », ny « lécithine » avy amin’ny soja sy ny vitamines. Tsy misy mihitsy ny fampiasana antibiôtika na hôrmônina, ary tsy maintsy mandalo fitsirihana, ato anatiny ihany na any amin’ny labôratoara voatokana, ny akora fototra sy ny vokatra azo. Mba hampifanarahana ny sakafo omena ny « esturgeon » amin’ny habeny dia mamokatra voana provandy amin’ny habeny samihafa ny ozinina mpamokatra ny sakafon-trondro. Ankoatra izay, ho fanajana ny teny nomen’ny orinasa momba ny tontolo iainana sy ny lafiny sôsialy dia avy eto Madagasikara avokoa ny 78% amin’ireo akora fototra ampiasaina ary nalaina tsy lavitry ny toeram-piompiana mba hampihenana ny fiparitahan'ny karbaona.