Cameleon

Nosy tsy manam-paharoa

Aty amin’ny ilabolatany atsimo no misy an’i Madagasikara, ao atsimo andrefan’i Ranomasimbe Indiana, ary ny Lakandranon’i Mozambika no manasaraka azy amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan’i Afrika. Manana velarantany 587 401 km² i Madagasikara, ary lazaina ho toy ny kaontinanta kely mihitsy. Raha ny habeny kosa no jerena dia izy no nosy faha-4 lehibe indrindra maneran-tany, aorian’ny Groenland, Nouvelle-Guinée ary Bornéo.

Tendrombohitra, manana haavo manodidina ny 800m ka hatramin’ny 1 600m, no mandrafitra ny roa ampahatelon’ny velarantanin’i Madagasikara. Somary mangatsiatsiaka ny toetrandro eny afovoan-tany, ary misy fizaran-taona miavaka tsara : mafana mandritra ny fahavaratra ary mangatsiaka rehefa ririnina. Amin’ny ankapobeny kosa dia mafana mandavataona ny toetrandro any amin’ny morontsiraka.

Isan’ireo nosy malaza indrindra ao Madagasikara i Nosy-Be (lehibe indrindra), i Sainte Marie (miavaka sy manana ny maha-izy azy indrindra), ary i Nosy Komba na ny Nosin’ny gidro (mahasondriana indrindra).

Malagasy no fiantso ireo mponina ao an-toerana, ary ny teny Malagasy sy ny teny Frantsay no teny ôfisialy.

Anisan’ny mampalaza an’i Madagasikara ny fananany Mpanjakavavy nandritra ny vanim-potoana faha-Mpanjaka, isan’izany i Ranavalona I, faha-2 ary faha-3. Ankehitriny kosa dia antsoina hoe «  Ranavalona  » ireo vehivavy mpirotsaka an-tsitrapo sy tsy mataho-maso mena.

Miavaka raha samy miavaka ny haren-javaboaary tsy manam-paharoa sy tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Tsara marihina mantsy fa tany amin’ny 100 tapitrisa taona lasa tany dia tafasaraka tamin’ny kaontinanta afrikanina i Madagasikara. Araka izany, nanampy betsaka tamin’ny fikajiana sy fitomboan’ireo karazam-biby sy zava-maniry eto an-toerana ny fitokanamonin’ny Nosy, ny fananany toetrandro sy fizaran-taona miavaka, ary ny tsy fisian’ireo biby lehibe mpihaza.

zebu
lemurien

Lapan'ny zava-boaary

Ny haran-dranomasina, ny tora-pasika tsara tarehy, ny ravinala, ny lalan'ny baobab, ny zava-boahary anaty rano, ny tanety ary ny gidro koa dia mamaritra ireo zavamananaina miavaka ao amin'ny firenena.

Ny Nosy Lehibe, izay antsoina indraindray hoe «  Nosy Mena  » noho ireo tany mena izay mandoko ny lembalembany, dia fantatra eran'izao tontolo izao amin'ny fananany kakaô tsara indrindra, dipoivatra, tsiperifery, lavanila, kanelina, voankazo dia, makamba avy any Mahajanga sy ny maro hafa koa.
Zavamaniry fitsaboana maro no tsy fahita firy eto Madagasikara, ahazoana huile essentielle miavaka. Ny tena malaza dia ny huile essentielle ana ravintsara sy katrafay ary iary.

Io endri-javatra miavaka amin’izao tontolo izao io no mampiavaka an’i Madagasikara amin’ny maha «  Lapan'ny zava-boahary  » azy.