Fanamby toa saro-tanterahina nefa tena mijery lavitra

Fanamby somary nampatahotra nefa tena mijery lavitra ny Acipenser. Vinan’ny orinasa ny ho lasa mpiompy no sady mpamokatra fanta-daza maneran-tany eo amin’ny tsenan’ny kaviara. Isan’ny fanamby lehibe indrindra ny fiantohana ny fandrosoana lovainjafin’ny asa ataonay, indrindra raha mijery ny lafiny fiompiana, izay tena ilàna fotoana maharitra tokoa, satria mety hahatratra any amin’ny 7 taona izany ho an’ireo karazan-trondro malaky mitombo indrindra, ary mety haharitra hatramin’ny 12 taona ho an’ireo karazan-trondro somary elaela fitombo kokoa.

Tanjonay ny hamokatra trondro 300 ka hatramin’ny 400 taonina ho an’ireo karazan-trondro ompiana ao amin’ny farihy, ary 50 ka hatramin’ny 70 taonina kosa ho an’ireo karazan-trondro ompiana an-tanety. Araka izany, kendrena haharitra ny fitrandrahana ny vokatr’ireo trondro ireo. Eo amin’ny lafiny famokarana kaviara kosa dia efa natao haharaka ny fikirakirana ireo renitrondro manome kaviara ny ozinina fanodinana akora. Tsara marihina rahateo fa hahafahan’ny orinasa mahaleo tena tanteraka sy miantoka sakafo ambony kalitao ho an’ireo trondro ompiana ny fananana ny ozinina famorana sakafon-trondro (famokarana provandy).

Sarotra ny toe-draharaha sôsialy sy pôlitika eto Madagasikara. Ankehitriny dia mbola tsy isan’ny laharampahamehana ny lafiny tontolo iainana. Ohatra, mbola vitsy dia vitsy ny orinasa mifantoka manokana amin’ny fanodinana fako sy rano maloto. Araka izany, tena zava-dehibe loatra ny fananana sy fametrahan’ny Acipenser pôlitika momba ny tontolo iainana, sy miantoka ny fanaraha-maso ny fanatanterahana izany mba hahafahany mahaleo tena tanteraka sy mamita ato anatiny ihany, araka izay tratra, ny ankamaroan’ny asa ataony. Ankoatra izay, dia tena tsy azo idovirana koa ny fanentanana ny mponina eny an-toerana, ireo mpampiasa rano samihafa, ary ireo fiarahamonina manodidina, mikasika ireo fomba fanao tsara tokony harahina, mba hahafahan’izy ireo koa misitraka fandrosoana lovainjafy, vokatry ny fisian’ny Acipenser sy ny tombontsoa azo avy amin’ny fiaraha-miaina amin’ny orinasa.

Lalana hahatongavana amin’izany ny fanamafisana ny fitantanana ny asa famokarana amin’ny fomba mandray andraikitra sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo fiarahamonina manodidina, amin’ny alalan’ny fizarana ireo soatoavina momba ny tontolo iainanana amin’ireo mpiraiombontsehatra rehetra.

Araka izany, mandray andraikitra sy manao vaindohan-draharaha ny lafiny tontolo iainana ny Fitantanana ny orinasa, miantoka ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanajana ireo fenitra takiana aminy (takian’ny lalàna sy araka izay voafaritra miaraka amin’ireo mpiraiombonantoka) sy ny fitazonana ny fanamarinana fenitra iraisam-pirenena ISO 14001, izay mifandraika amin’ny fiompiana, ny famokarana sakafon-trondro ary ny famokarana kaviara sy nofon-trondro.

Tafiditra ao anatin’izany indrindra dia mandray andraikitra feno amin’ny fampiharana sy ny fahombiazan’ny Rafitra fitantanana ny tontolo iainana (SME – Système de management environnemental) ny orinasa, ary miantoka ny fampifanarahana ny pôlitika sy ny tanjona momba ny tontolo iainana amin’ireo paikady sy zava-misy iainan’ny Acipenser. Ho jerena manokana ary tsy ho atao ambanin-javatra ireo mpiraiombonantoka amin’ny famolavolana ny SME.

Hitantoka ny Fitantanana ny orinasa fa zaraina sy ampahafantarina ireo mpiraiombontsehatra rehetra, ary tsy ho atao ambanin-javatra ny fepetra rehetra ao anatin’ny SME. Izy koa no hanome ny enti-manana rehetra amin’ny fanatontosana ny SME araka ny fenitry ny ISO 14001, sy hanoro ary hanampy ny mpiasa ao aminy mba hahafahan’izy ireo mitondra ny anjara birikiny amin’ny fahombiazan’ny rafitra, ka hahahafahana misoroka ireo karazana fahalotoana efa voafaritra mialoha fa mety hitranga sy hisy fiantraika goavana amin’ny tontolo iainanana, mba hahazoana ny vokatra andrasana. Manome teny koa ny Fitantanana ny orinasa fa hanatsara hatrany ny SME ho fanatsarana ny zava-bita eo amin’ny lafiny tontolo iainana. Ho fanatontosana izany dia hisy ny fitsirihana hatao isan-taona amin’ny pôlitika momba ny tontolo iainana sy ny tanjona tratra mba hiantohana ny fisian’ny fanatsarana mitohy ny rafitra fitantanana ny tontolo iainana.

iso_14001

Ireo fanamby sy ny asa efa natao

Fanajana ny tontolo iainana sy ny fahafahan’ny biby miaina ara-dalàna

Mananjara ny Acipenser manana tontolo iainana azo antoka, ary manao izay fara heriny ny orinasa ho fiarovana izany. Hatramin’ny fotoana nananganana azy dia efa nieritreritra sy nitady ireo fomba rehetra hampihenana araka izay tratra ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana ny toeram-piompiana Acipenser. Ny zavatra rehetra izay atao eny amin’ny tobim-piompiana sy ny toeram-pikirakirana akora dia nezahina araka izay tratra mba ho fara fahakeliny ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana, isan’izany ny fisafidianana ny fitaovana nampiasaina tamin’ny fanorenana ireo trano fiasàna, ny fanamboarana ato anatiny ihany ny fefy ampiasaina amin’ny fiompiana sy ny sakafo avy amin’ny fambolena eto an-toerana omena ireo esturgeons, ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny fampiasana ny angovon’ny masoandro any amin’ny toeram-piompiana an-tanety sy ny ozinina famokarana (275,4KWc), ny fanamboarana ireo dobo misy an-tanantohatra na « bassin en mode gravitaire », ny fanodinana ny fako.

Zava-misy izay nohamafisina tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny fahazoana ny fahazoan-dàlana momba ny tontolo iainana tamin'ny taona 2014 avy amin'ny fikambanana malagasy « ONE » (Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana), ary voamarina tamin’ny fahazoana ny fenitra iraisam-pirenena ISO 14001 : 2025 avy amin’ny vondrona SOCOTEC (Orinasa Fanaraha-maso ara-teknika sy fanorenana). Ity mari-pankasitrahana ity dia mihatra amin'ny asa fiompiana trondro manontolo (toerana an-tanety sy farihy), ny ozinina mamokatra sakafo trondro, ary ny atrikasa fanodinana ho an'ny famokarana hena esturgeon sy caviar. Ireo andrim-panjakana roa ireo dia miantoka ny famerenana sy ny fanombanana isan-taona ny rafitra fitantanana ny tontolo iainana. Ny fenitra ISO 14001, na izany aza, dia rafitra fitantanana mitaky kokoa amin'ny alalan'ny fametrahana tanjona vaovao tsy tapaka.

Miankin-doha betsaka amin’ny kalitaon’ny tontolo ivelomany ireo « esturgeons ». Iankinan’ny 80% mahery amin’ireo trondro ompiana ny Farihy no sady mamatsy rano ireo dobo sy toeram-piompiana hafa. Araka izany, natao ho laharampahamehana sy vaindohan-draharaha ny fanaovana ireo asa mifandraika amin’ny kalitaon’ny rano. Mazava ho azy fa ilaina be ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny rano. Ary tafiditra ao anatin’izany ezaka izany indrindra dia tanjon’ny orinasa ny fampihenana araka izay tratra ny fiantraikan’ny asa famokarana ataony amin’ny ranon’ny Farihy sy ny ranon’ny renirano.

Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Valéa Conseil, nanomboka tamin’ny taona 2014, izay daty voalohany niodinan’ny tobim-piompiana teo amin’ny farihy, dia misy hatrany ny fanaraha-maso, fanao isan-taona, amin’ireo singa fizika sy simika ary ireo « bio-indicateurs » mba hijerena akaiky ny mety ho fiantraikan’ny asa atao amin’ny tontolo manodidina sy ny fivoarana ara-boajanaharin’ny farihy. Misy ny dobo fanodinana rano maloto (lagunage) izay naorina eny am-pivoahana ny toeram-piompiana trondro. Fanampin’izany dia fitaovana sy kojakoja fanadiovana, tsy misy fiantraika amin’ny tontolo iainana araka izay tratra, no ampiasaina (savon de Marseille, peroxide d’hydrogène). Safidy manokana ny hamehy ny habetsahan’ny trondro ompiana sy ny hamehy ny sakafon’ireo « esturgeons » ; izany no natao dia mba hahafahan’ny tobim-piompiana Acipenser mampihena ny fako organika avy amin’ny asa atao. Tsy vokisany mantsy ireo « esturgeons » ary kajiana arakaraka ny haben’ny trondro, ny dingam-pivoarany sy ny maripanan’ny rano, ny habetsahan’ny sakafo omena azy ireo. Isan-taona dia misy hatrany ny fampidirana zana-trondro ao amin’ny farihin’i Mantasoa ho fiarovana sy fitandroana ny haren-javaboaarin’ity farihy ity (zana-trondro 20 100 no nampidirina tao tamin’ny taona 2021).

Sangany eo amin’ny lafiny fitantanana ny tontolo iainana ao amin’ny faritra misy azy ny Acipenser. Tsy maintsy mandalo fitsirihana sy fanaraha-maso avokoa ireo mpiara-miasa rehetra amin’ny fanodinana ny fako ho fiantohana ny fanaraham-penitry ny dingana fanodinana fako manontolo. Ankoatra izay dia napetraka koa ny fomba fanangonana fako any amin’ny toeram-pisakafoana eny am-parihy. Tsy vitan’izay fa manampy ny mponina eo an-toerana amin’ny fiampitana mankany amin’ny fomba fanao manaja ny tontolo iainana kokoa ny tobim-piompiana amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo ny fanavahana ny fako eny ifotony: avadika ho zezika na dorana ireo fako avy amin’ny sakafo/poti-tsakafo sy ny zava-maniry/fambolena. Averina ampiasaina na ferana araka izay tratra kosa ny fako sy ny tavoahangy plastika. Orinasa manam-pahaizana manokana momba izany kosa no mikirakira ireo akora mampidi-doza (toy ny solika, ny menaka fanaovana « vidange », sns). Havadika ho dity sy zezika kosa ireo fako avy amin’ny famokarana (toy ny rà, ny ati-trondro, sy ny taovany). Ankoatra izay dia nasiana daba-bako maro koa manodidina ny faritry ny Acipenser ho fanentanana ny mponina eny an-toerana tsy hanary fako eny rehetra eny. Misy koa ny fiaraha-miasa mavitrika izay mampiodina ny toekarena eo an-toerana. Isan’izany ny fiaraha-miasa amin’ny mpanao asa tanana vita amin’ny vy izay mamadika ireo boatina kaviara ho lasa baobab tsara tarehy. Ny vola azo avy amin’ny fanaovana asa tanana vita amin’ny vy kosa dia arotsaka manontolo ao amin’ireo sekoly naorina sy ampiasaina amin’ireo hetsika sy asa sôsialin’ny toeram-piompiana.

Teny nomena eo amin’ny lafiny sôsialy, fandrosoana lovainjafy, sy ny fandraisana andraikitra

Manome teny hanatanteraka ny fandraisan’andraikitry ny orinasa ny Acipenser amin’ny alalan’ny fitsinjovana ny fivelarana sy ny fahasalaman’ny mpiara-miasa aminy, isan’izany amin’ny alalan’ny fandraisana an-tanana ny lany amin’ny fitsaboana azy ireo. Ohatra, tamin’ity taona ity, nandritra ny volana ôktôbra izay natokana ho an’ny homamiadan’ny nono mpahazo ny vehivavy (Octobre Rose) dia nisy ny hetsika fanaovam-bakisiny ho an’ireo andriambavilanitra rehetra, izay te hanao izany, miasa ao amin’ny tobim-piompiana. Ankoatra izay dia mitohy hatrany koa ny fanaovana hetsika fihainoana sy fanomezana torohevitra ny mpiasa, ny fiofanana omena momba ny jono mandray andraikitra, ny hetsika fanentanana momba ny dorotanety, ary ireo hetsika ivelan’ny asa toy ny fanaovana lalao baolina kitra, sy ny fikarakarana fotoam-pialan-tsasatra toy ny andro natokana hialàna voly.

Isan’andro dia hahafahana mamatsy legioma tsara kalitao, tsy ampiasana fanafody simika famonoam-biby sy zezika simika, ho an’ny toeram-piasakafoana ao amin’ny toeram-piompiana an-tanety ho an’reo mpiasa 200 mahery miasa ao, ny toerana fambolena legioma (potager). Any amin’ny toeram-piompiana am-parihy kosa dia sakafo 30 ka hatramin’ny 40 isan’andro eo no handrahoina ao. Hatramin’ny nananganana ny tetikasa dia miara-miasa amin’ireo mponin’i Mantasoa sy Ambatolaona ny Acipenser. Mponina eo amin’ny manodidina avokoa ny 80% amin’ireo mpiara-miasa 300 isa miasa ao. Vokatry ny pôlitika anatiny izay miompana amin’ny fampiofanana mitohy omen’ireo mpampiofana matihanina dia mivoatra tsikelikely ato anatin’ny seha-pihariana izy ireo ary mahafantatra ireo karazan’asa mifandraika amin’ny fiompiana trondro, ny famokarana kaviara, ary ny fivarotana izany. Nanomboka tamin’ny taona 2020 dia miezaka manentana ny mponina momba ny fiantraikan’ny asa atao amin’ny tontolo iainana (impact carbone) koa ny tobim-piompiana. Amin’izao fotoana izao dia ny fahalotoan’ny rivotra irery ihany no singa tsy mbola voarefy sy voafehy tsara. Ho fanampin’ireo hazo sy zava-maniry maherin’ny 1 000 izay efa nambolen’ny orinasa nanomboka tamin’ny taona 2019 dia nanapa-kevitra ny hametraka ny tetikasa « Hazo 1 isaky ny mpiasa 1 » koa ny orinasa nanomboka tamin’ny taona 2022, mba hanarenana izay tsy fahafahana mamaritra sy mifehy tsara ny fahalotoan’ny rivotra izay. Efa eo am-pamolavolana koa ny tetikasa goavana sy maharitra fanarenana ala antsoina hoe « Poumon de Madagascar” (Avokavok’i Madagasikara) ; tetikasa volavolain’ny Acipenser izy ity ary antenaina hampandraisana anjara mpiantsehatra maro, saingy mety hilàna taona maromaro ny fikarohana mialoha ny fanatanterahana azy.

Ankoatra izay dia nanokatra tsena vaovao, izay misy fiantraika mivantana amin’ny fihatsaran’ny toekaren’ny faritra mandray anay, ny filàn’ny orinasa eo amin’ny lafiny akora fototra, fitaovana, kojakoja sy entam-barotra. Etsy andaniny koa anefa dia mitohy foana ny fanomezana fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana ho fampivoarana ny lafiny toekarena. Ohatra, nomena akanjo salotraina (gilets de sauvetage) ireo fikambanana mpanjono mba ho fiantohana ny arolozan’izy ireo mandritra ny fiampitany ny Farihin’i Mantasoa amin’ny fampitaovana ireo tanana manodidina sy fivarotana ireo vokatra toy ny harina fahandro. Ho fanampin’izay dia nisy koa ny fanamboarana lava-drano, izay niara-niasa tamin’ny fikambanana Rotary, ho an’ireo mponina eny amin’ny manodidina ny Farihy, mba ho fanamorana ny fahazoan’izy ireo rano fisotro madio. Nitohy hatrany koa ny fanampiana amin’ny fananganana sekoly sy fanamboaran-dalana. Vao tsy ela dia natomboka koa ny fanomezana nofo-trondro ho an’ireo toeran-pisakafoana eny an-tsekoly sy ho an’ireo toby fitaizana zaza kamboty. Nandritra ny fotoana nampamaivay ny valanaretina dia nisy ny fanomezana arotava lamba 4 800 isa ho fampihenana ny fiparitahan’ny tsimokaretina. Tamin’ny taona 2023 dia “esturgeons” 9 taonina (lohany, nofony, sy “filets”, sns) no nozaraina tamin’ireo fikambanana sy toby fitaizana zaza kamboty toy ny Akamasoa, Adélaïde ary Tsimoka ao Antananarivo...

Tanjonan’ny Acipenser ny hitondra fiantraika tsara amin’ny tontolo iainana manodidina azy amin’ny alalan’ireo mponina eo an-toerana. Vinan’ny orinasa koa ny hitondra fiantraika tsara amin’ny tontolo iainana mivelatra kokoa amin’ny alalan’ireo mpamatsy entana sy mpiara-miasa aminy, ary ireo tobim-piompiana trondro maneran-tany. Tao anatin’ny roa taona, mba hahafahany mampifanaraka ny asa famokarana ataony amin’ny zava-misy iainany dia manokana vola amin’ny hetsika fanaovazana ny tobim-piompiana ny orinasa: nanokana vola amin’ny ampahan’ny tetibola ny R&D, ary noforonina ny sampana miandraikitra manokana ny faharetan’ny asa famokarana (cycle de vie). Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Valéa Conseil dia azo sy fantatra tsara ankehitriny ny hoavy sy ny fanaraha-maso ny farihy, mba hahafahana miomana kokoa amin’ny hoavy. Araka izany, zava-dehibe loatra ny fisian’ny fampitam-baovao mikasika ireo asa sy hetsika rehetra ireo, mba hahafahana mizara ireo zava-bita sy ny fivoarana, fa indrindra ireo olana sedraina.